Fandriampahalemana

Vaky trano teny Anosizato Noraisim-potsin’ny polisy ilay jiolahy mbola nisaro-tava


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Noraisim-potsiny noho ny mbola fanaovany sarotava na “cagoule” sy fitondrana fitaovana fanapitsihina trano na "barre à pince"

ny mpamaky trano iray raha nifanena tamin'ny polisy tetsy Anosizato. Ny sabotsy teo, tokony ho tamin'ny 3 ora sy 30 minitra maraina no nitrangan’ity fikasana hamaky trano azo lazaina ho nahatsikaiky ity. Raha ny filazan'ny manodidina dia vaky trano teo akaiky teo ihany no nataon’ity jiolahy ity. Tsy nahazo na inona na inona anefa izy ary izao vaky nandositra izao kinanjo nifanehitra tamin'ny polisy indray ka dia noraofim-potsiny, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Ny tena nanapa-tsinay ireo nahita ny tranga dia ny lokon’ilay sarotava izay volomboasary be izay tena miavaka sy mora mampiahiahy tanteraka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT