Fandriampahalemana

Vaky trano teny Ambohitsoa Voadaroka sady voatifitra ny ilay jiolahy


  • Talata 06 Oktobra 2020

Nisy andian-jiolahy nikasa hamaky trano teny Ambohitsoa afak’omaly Alahady tokony ho tamin’ny 07 ora hariva.

 

 

 Tratran’ny fokonolona anefa izy ireo ka efa nanamparany ny hatezerany vao tonga ny polisy. Jiolahy efa naratra noho ny daroka nahazo azy sisa araka izany no hitan’ireto farany raha efa nisy nitifitra tamin'ny basy ihany koa ny tongony . Mbola hita teo akaikin’ilay jiolahy kosa teo an-daniny ny sabatra lava lela sy ny fitaovana saika entiny hamaky trano. Nentin'ny polisy namonjy hopitaly avy hatrany moa ity jiolahy ity mialohan’ ny hanaovana fanadihadiana azy. Araka ny tatitra azo teny Ambohitsoa ihany dia miisa 03 ireo jiolahy saika hamaky trano ka ny 01 no tratran'ny fokonolona raha tafaporitsaka kosa ny roa ambiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT