Fandriampahalemana

Vaky trano sy fanontana vola sandoka Voasambotra ny 3 ao anatin’ilay « groupe des 4 »


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Jiolahy rain-dahiny miisa 03 no saron’ny hery vonjy taitran'ny Polisim-pirenena ny talata 13 desambra teo tao Fianarantsoa rehefa namaky trano sy namoaka vola sandoka .

Raha tsiahivina dia maro tokoa ireo lasibatry ny vaky trano sy ny fivezivezen’ny vola sandoka ao amin’ny tanànan’i Fianaratsoa tato ho ato .Betsaka araka izany ny fitarainana tonga teny amin’ny biraon'ny polisy mahakasika ny fisian’ny andian-jiolahy mitam-piadiana antsoina hoe « Groupe des 4 » mpamaky trano sy mpanamboatra vola sandoka ary manaparitaka izany manodidina ny tanànan’i Fianarantsoa. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny teo anivon’ny FIP na ny hery vonjy taitra ny Polisy any an-toerana nanoloana izany ka nanamafy ny fisafoana sy fikarohana araka ny vaovao marim-pototra voaray. Vokany, lehilahy iray no voasambotr’izy ireo ny marainan'ny talata 13 desambra teo ary notanana avy hatrany teny amin’ny kaomisaria foibe natao fanadihadiana. Niaky ny zavatra nataony ity lehilahy ity ka teo indrindra no nilazany ireo namany hafa izay mpiray petsapetsa aminy manao izao asa ratsy izao . Ny andron’io ihany tokony ho tamin’ny 09 alina araka ny fanomezam-baovao avy amin’ny namany voasambotra ity dia tratra ihany koa ireo olon-dratsy roalahy hafa , rehefa natao araka izany ny famotorana azy telo lahy voasambotra ireto dia manana mpitarika izy ireo antsoina hoe « RA MAITRE » izay ati-doha miketrika amin’ny hetsika fanafihana sy famakiana trano ary ity farany no tompon’ny basy sy niavin’ny fanamborana vola sandoka . Mitohy araka izany ny fanadihadiana sy ny fikarohana ity jiolahy raindahiny ity izay fantatra fa manana fitaovam-piadiana any aminy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telo mirahalahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT