Lehilahy miisa 3 no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP 2 Mangarano ao Toamasina ny alakamisy 29 oktobra teo.
Raha araka ny fantatra dia namaky trano izy ireo no sady nanolana zazavavy tsy ampy taona iray. Tamin’io alakamisy io tokony ho tamin’ny 01 ora maraina no nisehoan’ity vaky trano ity. Niditra tao amin’ilay tokantrano ireo olon-dratsy tamin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana toy ny « pince coupante » lehibe sy fitaovana maro samihafa. Norahonan’izy ireo ilay tompon-trano raha vao tafiditra izy ireo ka tsy afa-nanoatra. Nobatain’izy ireo avokoa ny fitaovana tao an-trano toy ny solosaina sy ny moto scooter… Nandritra izay fotoana izany ihay koa dia naolan’ny iray tamin’ireo jiolahy ny zazavavy iray tsy ampy taona tao amin’ilay trano. Taorian’izay dia lasa nandositra izy ireo. Tsy lasa lavitra akory anefa izy ireo dia nifanehatra tamin’ny polisy avy ao amin’ny CSP2 Mangarano ka tsy afa-nandositra intsony. Mbola tratra teny amin’izy ireo ihany koa ireo entana vao avy nangalariny. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy telolahy voasambotra ireo. Efa tafaverina amin’ny tompony moa ireo entana very ireo. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.