Gadra miisa 5 no namaky tamboho, ary tafatsoaka tao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny sabotsy 7 oktobra alina hifoha omaly alahady.
Ny « grille de cloture » no nambaran’ireo mpiambina fonja fa novakian’ireo gadra ka nitsoahan’izy ireo, araka ny fanazavana voaray avy ao amin’ny sampana fanangonam-baovao sy seraseran’ny zandarimariam-pirenena-Toby Ratsimandrava. Omaly alahady, taorian’ny feo mandeha no nanomboka nikaroka vaovao ny zandarimariam-pirenena. Hatramin’ny alahady alina tamin’ny 9 ora sy 5 minitra tamin’ny antso an-telefanonina nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitry ny zandarimariam-pirenena dia tsy mbola fantatra ny mombamomba ireo gadra tafatsoaka satria tsy mbola azo ilay antsoina hoe : « AVIS D’EVASION » tokony ho navoakan’ny tompon’andraikitry ny fonja teny Tsiafahy. Azo antoka fa efa tena lasa lavitra ireo gadra tafatsoaka ireo, hoy ny zandarimariam-pirenena satria nanana fotoana lava be ry zareo. Henjana dia henjana ny fanaraha-maso atao manerana an’i Madagasikara, hoy hatrany ny loharanom-baovao avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena. Mahagaga anefa fahataran’ny fampitam-baovao avy amin’ny mpiandraikitra ny fonja sy ny mpitandro ny filaminana amina trangana fitsoahana gadra tahaka izao ka mahatonga ny olona hieritreritra zavatra hafa.
Tsy mifankahazo ny zandary sy ny mpandraharaha ny fonja ?
Tsy vao izao ity resaka vaky fonja ity. Raha tsiahivina, ny 23 septambra teo no nahavaky ny fonja tao Ambatondrazaka, ka gadra 11 no tafatsoaka. Mitovitovy amin’izao serasera tamin’ny fandosirana gadra tao Tsiafahy izao ihany ny zava-nitranga sy ny resaka fampitam-baovao tamin’izany. Tamin’ny 10 ora maraina no voamarina fa tsy tao intsony ireo gadra, saingy tamin’ny 5 ora hariva vao nampitaina tamin’ny mpitandro ny filaminana ny vaovao. Mbola niseho aza ny olana teo amin’ny zandary sy ny mpandraharaha ny fonja taty aoriana noho ny famakian’ny zandary bantsilana ny resaka firaisan’ny mpandraharaha ny fonja tsikombakomba amin’ny gadra. Tsy nisalasala ny zadary nilaza fa misy famoahana gadra an-tsokosoko ao an-toerana satria jiolahy 2 tokony hanefa ny saziny ao am-ponja no voasambotra noho ny asan-jiolahy. Nisy mihitsy ny resaka nivoaka fa roa hetsy ny saran’ny fivoahana. Matetika dia lasa hampifangaroana amin’ny gadra nahazo fahazoan-dalana hiasa ivelan’ny fonja na « MOP » ireny toe-javatra ireny. Raha ny tokony ho izy, mifanome tanana sy mifanampy ny zandary sy ny mpandraharaha ny fonja, saingy tsikaritra fa tsy izay no miseho. Fomba fiasa samy manana ny azy tokoa ve sa misy tsy fifankahazoana tokoa eo amin’ny roa tonta ? Misy hifandraisany amin’ny toe-draharaham-pirenena tsy milamina amin’izao fotoana izao ve ny zava-misy ankehitriny ? Iza no mahita na fomba fiady hoenti-manodina ny saim-bahoaka tsy hitodika amin’ny tsy fahombiazan’ny fanjakana amin’ny lafiny maro, toy ny tsy fahafehezana ny pesta izao ? Ao raha !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.