Fandriampahalemana

Vaky ny fonja tao Ihosy Gadra 10 tafaporisaka, 2 voasambotra


  • Talata 05 Mey 2020

Vaky ny fonja ao Fanjakamandroso ao Ihosy tanàna, ny alahady 03 mey teo.

 

 

 

 

 

Tokony ho tamin` ny 06 ora sasany hariva, ora fidiran` ireo voafonja manao asa ivelan` ny fonja no niditra ao anaty fonja no nanaraotin` ireo gadra 12 nivoaka ny varavarana fidirana. Nanao tifi-danitra ireo mpiambina fonja saingy tsy voafehy ireo voafonja ary nandositra avy hatrany izy ireo. Roa kosa no tratra ny andron` io ihany saingy ny folo mbola karohina haramin` izao. Ao anaty fikarohana ireo mpitandro filaminana. Savaina avokoa ireo fiara mivezivezy ao an-toerana araka ny tatitra. Olana hitovizan` ireo fonja manerana ny nosy dia mihoatra ny zakan` ireo fotodrafitrasa ny isan` ny voafonja. Voafonja 120 no tokony ho zakan` ny fonja ao Ihosy saingy efa tafiakatra 546 izany ka tsy mahagaga raha tsy voafehy ny savorovoro isan-karazany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT