Fandriampahalemana

Vaky fasana tany Boeny Lehilahy iray nahatrarana rojo volamenan’ny maty


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Lehilahy iray 28 taona no voatery nosamborin’ny polisy ny alin’ny 23 desambra teo tany amin’ny Faritra Boeny. Nahatrarana rojo volamena halatra izy io raha araka ny fantatra.

Raha tsiahivina, nisy fasana vaky niseho ny andron’ny 12 desambra sy ny 20 desambra teo tao amin’ny tanànan’Ambatofotaja sy Ambalabengy ao amin’ny Fokontany Premier quartier , kaominina Ambonivohitra Ambato-boeny. Maro ny zavatra lasan’ireo tsy mataho-didy nandritra izany ka anisan’ireny ity firavaka volamena voalaza etsy ambony ity. Ny alin’ny 23 desambra 2022 tao amin’ny tanànan’Ambatoboeny dia nanatanteraka asa fisafoana ireo Polisy miasa any an-toerana. Toy ny mahazatra,manao fisavana izy ireo rehefa mifanehitra amin’ny olona fa indrindra ireo tsy dia azo antoka sy hafahafa fihetsika . Isan’ny iray tamin’ireny ity lehilahy voasambotra ity izay nahitana rojo volamena teny aminy ary mitovy tsy misy valaka tamin’ilay rojo volamena izay voalaza fa very nandritra ny fandrobana ny fasana. Mitohy ny fitadiavana ireo naman’ity lehilahy nangalatra rojo volamena tao am-pasana ity.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT