Ny 8 oktobra teo no nisiana vaky fasana tao amin’ny tanànan’i Belanitra any Soavinandriana Itasy, ka lasa ny taolan-tsandrina zazakely iray sy ny lamban-drazana.
Voasambotra ny 3 lahy voatonona ho tompon’antoka, ary nanondro vehivavy roa ho mpaniraka azy ireo ka 2 700 000Ar no nambaran’izy ireo fa karama, ary efa nisy ny 200 000 noraisina mialoha, raha ny fanomezam-baovaon’ny tompom-pasana. Votsotra teny amin’ny mpitandro filaminana anefa ireo roa vavy ireo fotoana fohy taorian’ny nisamboran’ny mpitandro ny filaminana azy. Niakatra tribonaly ny raharaha ka tsy nanaiky mihitsy hatramin’ny farany ireo telolahy fa nanitrikitrika ireo roa vavy ho mpaniraka, izay marihina fa tsy nakarina teny amin’ny tribonaly izy roa vavy ireo. Nanao fitarainana ireo tompom-pasana avy eo, ka namoaka didy fampisamborana azy roa vavy ireo indray ny tribonaly, ary ny zandary ao Miarinarivo no nandray an-tanana ny raharaha. Mandeha ny famotorana amin’izao, ary raha ny ambaran’ny lasibatra dia voalaza fa miezaka mafy mampiasa vola be hiarovany tena ireo vehivavy roa ireo. Ny talata 4 desambra ho avy izao no hiverina hiakatra tribonaly ny raharaha. Ireo 3 lahy dia efa nidoboka tany am-ponja ary mbola nanaovana famotorana, ka manitrikitrika hatrany fa ireo roavavy ireo no tena atidoha nikotrika ny vaky fasana. Manaitra ny fitsarana sy fitondrana mahefa hijery akaiky ny raharaha ireo lasibatra mba tsy hamela mora foana ireo heveriny ho tena atidoha tamin’ny fanimbazambina ny fasan-drazany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.