Fandriampahalemana

Vakinankaratra Jiolahy 4 tratra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana


  • Talata 01 Desambra 2020

Jiolahy miisa efatra miaraka amin'ny Ombiasy mpanome ny ody entin'izy ireo

 

 

manao fanafihana no ravan'ny polisin' Antsirabe DRSP Vakinankaratra sy ny avy ao amin'ny kaomisaria foibe ao Antsirabe afak’omaly 29 Novambra. Loharanom-baovao sy fiaraha-miasa tamin'ny olona tsara sitra-po no nahafahana nisambotra ireto jiolahy mpanao famafihana ireto. Anisan’ny tena nanjakany ny tao amin’ny tananan’Antsirabe sy any Betafo tranga niseho tamin’ ny volana Septambra sy tamin’ity volana Novambra ity. Tratra niaraka tamin'izy ireo ihany koa ny fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasany rehefa manao fanafihana izy toy ny basy lava vita gasy miisa efatra miaraka amin'ny cartouches efatra sy ireo ody gasy maromaro. Mbola misy naman'izy ireo karohina amin'izao. Natolotra ny fampanoavana omaly izy efa-dahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT