Fandriampahalemana

Tsy milamina ny tany Efa misy mpanendaka koa eny amin’ny Hopitaly


  • Talata 30 Aprily 2019

«Tahaka ireny mpiandry marary ireny ireo olon-dratsy ao anaty hopitaly kanefa manendaka ety ivelany miaraka amin’ny antsy lavalela.

 

 

 

 

 Hitanay nampiditra antsy maranitra ireo roalahy raha iny avy nisalobona lamba iny ka tsy azony izahay fa andro hafa no nahazoany ny havanay”, hoy i Gabriel Rinah, mpiandry marary iray. Araka ny fanazavany, vao tamin’ny 7ora hariva mahery fodian’ny mpamangy, nahatsikaritra olona nitondra zava-maranitra tao anatin’ny hopitaly Befelatanana izy sy ny fianakaviany, ary niandry teny amin’ny maizimaizina ivelany ka nihataka fa nenjehin’izy  ireo sady norahonany no nampisehoany ilay antsy lavalela. Andro hafa, voatery nividy fanafody tamin’ny 1 ora maraina ny zokiny sy ny zaodahiny ka voaendaka vao afaka ny vavahady ka very ny vola sy ny zava-tsarobidy noho ny hery tsy mitovy. Ny dokotera nefa mampaniraka haingana fa fanafody  vonjy aina. Taty aoriana, voatery maka fiarakaretsaka isaky ny mandeha kanefa ny vidim-panafody efa lafo, manampy trotraka ny fidangan’ny vidim-piainana, hoy hatrany i  Gabriel Rinah. Anjakan’ny mpanao sinto-mahery mitondra sabatra ireo mpividy fanafody amin’ny alina, manodidina ny hopitaly eto an-drenivohitra fa tsy eo Befelatanana ihany. Efa maro no lasibatra tahaka azy ireo ny teny amin’ny CENHSOA  Soavinandriana miakatra sy midina miala eo am-bavahady sy ny eo Anosy afaka ny HJRA. Miandrandra ireo tompon’andraikitra ara-miaramila sy sivily, indrindra ny eo anivon’ny fahasalamana sy ny fokontany ireo olom-pirenena noho izao toe-javatra mamohehitra izao.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT