Satria ve miroso anatin’ny tsy fitoniana sy ny krizy indray ny firenena vokatry ny savorovoro politika nitranga tato ho ato dia vao mainka miha marefo ny fanaraha-maso ireo trafika tsy mazava ana harena sarobidy isan-karazany, toy ny andramena sy ny sokatra?
Tsikaritra io tato ho ato taorian’ny savoritaka naterak’ilay fandaniana tamin-kery ny volavolan-dalàna momban’ny fifidianana teny amin’ny antenimieram-pirenena sy ilay resaka 12 miliara ariary nalaza be hoe an’ny praiminisitra very. Taorian’ilay sokatra Radiata miisa 126 tratra teny Ivato tamin’ny janoary sy ilay miisa 68 tratra tatsy Kaomoro ny volana febroary dia hita ho nangingina izay trafikana sokatra izay ny volana martsa. Ny resaka andramena moa dia tamin’ny desambra no tena nahenoana izany farany. Nanomboka nampanahy kosa anefa ny zava-nitranga tamin’ity herinandro ity ary nampivarahontsana indrindra ny nandre fa sokatra miisa 8000 no nameno trano 1 manontolo. Hita ho manomboka mirongatra indray ity trafika nampalaza ny mpitondra Malagasy sy ny kolikoly nampalaza azy ity tato ho ato ka izao tokoa ilay fiatombohan’ny fisandratana ary fisandratana ho aiza?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.