Isan’andro no ahenoana endrika tsy fandriampahalemana, saika amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra.
Ekena fa misy ny vokatra azon’ny mpitandro filaminana, saingy tena mbola tsy tafapetraka eto amin’ny tany sy ny firenena ny fandriampahalemana na izany aza. Misy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana toy ny fahitana azy ireo manao fitsirihana amin’ny alina eto Antananarivo, fa tsy ambakan’izany ihany koa ny jiolahy. Jiolahy raindahiny 7 no traha-tehaky ny Polisin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) tao Toliara ny alin'ny 08 febroary 2019.
Ny roa nitondra basy vita gasy sy sabatra dia lavon'ny bala nandritra ny fifanenjehana.Ny 5 lahy, malaza amin’ny fanendahana sy sinto-mahery ao an-tanana kosa dia tratra nandritra ny fisafoana ny alin'io 8 febroary io ihany. Lasibatra ny vahoaka sy ny fananany, ary tena mihantsy ny mpitandro filaminana mihitsy ny jiolahy. Mitohy hatrany ny fakana an-keriny sy fitakiana volabe ankoatry ny fanafihana, ka ny alin’ny 7 febroary dia olona 5 nalaina an-keriny tao Tsaratanana. Tany Ambatomainty any amin’ny faritra Melaky izao, dia omby 50 lasan'ny dahalo ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 9 febroary teo. Dahalo manodidina ny telopolo lahy no nanafika, ka nirefodrefotra ny basy nandritra ny ora iray sy sasany teo. Ny sabotsy teo, dia mpivarotra enta-madinika iray no voatifitra teo amin’ny feny tao Ambatondrazaka Renivohitra, nandritra ny fanafihan’ny jiolahy miisa 4 teo ho eo. Valo lahy nirongo basy PA sy kalaky nanafika tokatrano iray mpividy sy mpivarotra volamena tao Manjarisoa ao Mahajanga omaly alahady maraina, ka lasa ny volamena 500g mahery niaraka tamin’ny vola 40 tapitrisa. Notsindromina vy maranitra in-telo ny ramatoa iray tamin’izany. Tsy lavitra an’Antananarivo, fa teny Mahitsy ny andron’ny sabotsy alina teo, dia nirefodrefotra ny basy noho ny fanafihan-jiolahy, ka olona roa no naratra. Ny iray voatifitra teo amin’ny kibony, ary ny iray naratra ihany koa ny tongony. Ampahany ihany ireny, fa tsy voafehy ny fandriampahalemana amin’ny ankampobeny, ka asa na hanova zavatra ny fampidiran’ny fanjakana angidim-by miisa 5 izay handaniana volabe atsy ho atsy, na ho kisehoseho ivelany fotsiny ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.