Manao antso avo amin`ny tompon’andraiki-panjakana ny mpiaro ny zon`olombelona avy amin`ny fiarahamonim-pirenena mba hijery akaiky ny raharaha misy amin`izao fotoana.
Na tiana na tsy tiana, ny iraisam-pirenena dia nametraka tsara fa eo anatrehan`ny tsy fandriampahalemana na ny fijerena ny fiainam-bahoaka dia tompon’andraikitra voalohany ny fitondrana. izy no tokony hiantoka ny firindran`ny fandriampahalemana eto an-toerana. Miandry ny fandraisana andraikitry ny fitondrana ny vahoaka Malagasy izay miraviravy tanana, hoy Raoera Chandoutis, avy amin`ny fikambanana mpiaro ny zon`olombelona. Eran-tany, matoa tsy misy ny fandriampahalemana dia ny ao anatin`ny fitantanana no tsy manao ny andraikiny voalohany. Misy politika ambadika ve sa tsy zakan`ny mpitondra fa maika tamin`ny fifidianana ? Tsy entina hanenjehana an`iza n`iza, hoy Raoera Chandoutis fa matoa nisy ireny tranga ireny dia manana andraikitra hiaro ny vahoaka ny fanjakana. Tsiahivina fa nisy naka an-keriny ny talen`ny orisana Trans Fy ny alarobia lasa teo, Harman Kamis, any Toamasiana raha ny fampahafantarana avy amin`ny vondron`ny teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay monina eto Madagasikara (CFOIM). Izy no teratany karana fahatelo tao anatin`ny herinandro. Sesilany ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fanendahana manerana ny Nosy. Maro ny matin’ny fitsaram-bahoaka, niverina ihany koa ny fakana an-keriny. Tsy mandry fahalemana ny vahoaka Malagasy ka miantso ireo tomponandraikitra mahefa hijery ifotony ny raharaha. Araka ny voalazan`ny and. faharoa amin`ny fanambarana iraisam-pirenena ny zon`olombelona dia ”manana zo hiaina ny olona tsirairay”. Andrasana ho ringana ary ve ny Malagasy ? Na dia tsy tian’ny mpitondra resahina aza dia goragora ny fampiharana ny lalàna eto Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.