Fandriampahalemana

Tsy filaminana eto amin’ny firenena “Misy andraikitra tsy efan’ny fitondrana.”


  • Talata 27 Aogositra 2019

Malahelo amin’ny fisian’ny tsy filaminana eto amin’ny firenena izahay mpiaro ny zon’olombelona, hoy ny filohan’ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka sy Zon’olombelona mijoro,

Chandoutis Raoera, raha nanontaniana mikasika ny fipetrak’izy io manoloana ny fifampitifirana nisy tetsy Ampefiloha ka nitifirana lohan’olona efa lavo tamin’ny tany ny faran’ny herinandro teo. Mbola hita ho misy andraikitra tsy efan’ny fitondram-panjakana, hoy izy, taratra ao anatin’io. Efa hita ny ezaka ataon’ny fitondrana saingy noho ilay tsy fananan’asa miteraka ny elanelana be loatra dia mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Mila hamafisina ny politika sy fampiharana ny fampananan’asa eto Madagasikara. Fotoana toy izao indrindra no tena tokony hampanjakana ny fanajana zon’olombelona. Olona efa lavo amin’ny tany kosa ve, hoy izy, dia mbola vonoina indray? Sao sanatria vavolombelona manahirana? Marina fa mihatra aman’aina ny asan’ny mpitandro filaminana ary eo indrindra, hoy ny fanazavany, no tokony hijerena ny fipetraky ny andininy faha-3 ao amin’ny fanambarana iraisampirenena momba ny zon’olombelona dia ny zo hiaina izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT