Averina hatsangana indray raha somary natoritory kely ny andrimasom-pokonolona eo anivon’ny kaominina Ampitatafika distrikan’Antananarivo Atsimondrano, raha araka ny fanazavan-dRakotomavo Albert
lefitra faharoan’ ny Ben’ny tanàna. Hisy ny famoriana ny sefom-pokontany rehetra sy ireo filohan’ny vohitra manerana ireo fokontany 13 ato ho ato, hoy hatrany izy hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Anisan’izany ny asa fanafihan-jiolahy toy ny nitranga teny an-toerana ny sabotsy hariva teo ka nahafatesana olon-tsotra iray. Tsiahivina moa fa mpivarokena no notafihina jiolahy miisa telo tamin’io andro io saingy olon-tsotra iray tsy manan-tsiny no namoy ny ainy tsy fidiny. Teo Atsimombohitra no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny 7 ora. Ny roa tamin’ireo jiolahy nandroba ilay mpivarokena izay nahazoan’izy ireo 1 tapitrisa Ariary. Ny iray kosa niandry teny ivelany niaraka tamin’ny basy ka nitifitra avy hatrany ity lehilahy avy ao Tsararay ity izay marihina fa avy nisotrosotro tao amin’ilay bar akaikin’ilay mpivarokena voatafika. Lasa miteraka tebiteby goavana ho an’ireo mpivarotra eny Ampitatafika moa ny fisian’ity tranga iray ity izay fantatra fa efa tsy nisy intsony tao anatin’ny telo taona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.