Mihamahazo vahana hatrany ny vono olona eto amintsika. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra mihitsy izay mampanontany tena ny maro.
Tovolahy iray manodidina ny 26 taona no hita faty tany anaty ala efa tsy nisy fofon’aina intsony rehefa avy nijery baolina. Ny alatsinainy hariva teo izy io no fantatra fa nisy namono, tao Marokibo, Morarano. Nahitana zavatra mainty toy ny ra maina ny tarehiny sy ny vavany nandritra ny fitiliana nataon’ny mpitsabo. Nisy ratra teny amin’ny endriny. Tsy mbola fantatra ny nahavanon-doza hatramin’ny fotoana nahazoana ny vaovao omaly hariva. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.