Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana mirongatra Porofon’ny fahalotoam-pitantanana


  • Talata 03 Aprily 2018

Raha ny fangalarana omby mba hahazoam-bady no nahafantarana ny asan-dahalo tany Atsimo tany aloha dia niitatra ho tena asa ratsy tsy mifono kolontsaina intsony ny taty aoriana. Ankehitriny aza moa dia efa miitatra any amin’ny fandrobana sy fanolanana.

 Manerana ny nosy ankehitriny no hanjakan’ny tsy fandriampahalemana ary porofon’ny fahalotoam-pitantanana ankoatr’ireo ny fisian’ny fitsaram-bahoaka miseholany eto Madagasikara. Misy aza moa faritra izay lasa mahatsangana rafitra  eken’ny mpiray monina mihitsy hanatontosana fitsaram-bahoaka ofisialy na dia voararan’ny lalàna aza. Misy izany Besabao izany any Mahajanga, hoy ny mponina iray avy any an-toerana. Iza moa no tsy naheno ny dinan’i Menabe na Melaky ? Samy maneho ireny fa mba iverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’izy ireo dia mila diovina ny ao amin’ny fitsarana ao, ny zandarimaria, ny polisy, ny sampandraharaha fiandrasana fonja sy izay tokony hitandro ny filaminana rehetra fa tsy ny fitondrana indray no manosika azy hitokona tsy handray voafonja vaovao.

Aiza ny mpanabe ?

Aiza ny fandraisan’andraikitry ny mpanabe sy mpitondra ? Tsy hita any an-tsekoly intsony ny fanabeazana maha olom-pirenena kanefa taloha aza nisy izany antsoina hoe fanabeazana olon-dehibe izany. Matoa ny olona mangalatra dia noana, hoy ny tatitr’ilay depiote iray izay. Matoa noana dia satria tsy ampy vola. Izany hoe mila asa ara-dalàna sy maharitra. Ny  zava-misy anefa dia sotasotain’ny mpanampa-kevitra indray ireo orinasa an’ny mpandraharaha Malagasy ary na misy koa aza ireo orinasa omban-tetikasa goavana izay afaka mamelona olona an’arivony maro na an’aliny eny tanàna iray manontolo mihitsy aza dia voizin’ny mpanao politika ny hoe 1% ihany no anjara ho an’ny fitondram-panjakana amin’izy ireny na dia fantany izao aza fa tsy latsaky ny 40 isa ireo karazan-ketra alain’ny fitondrana amin’izy ireny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT