Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Mila manokana vola ny fanjakana, hoy Orlando Robimanana


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Nivoaka tamin’ny fahanginany Atoa Orlando Robimanana nanoloana izany.

 
Nambarany fa mila manokana vola ho an’ny fandriampahalemana ny fanjakana hahafahana manangana ny fanjakana tan-dalàna. Efa voalazako  ao anatin’ny  boky misy ny vinako ny fepetra hahatanterahana izany, hoy izy  toy ny fampitomboana isa ny mpitandro ny filaminana, ny fiambenana mba tsy hisian’ny mpandika lalàna, ny fanirahana ireo antokon-kery hiaro ny vahoaka sy ny tanànany, indrindra ny fampitaovana azy ireo araka ny zava-misy sy ny toetr’andro. Efa niasa ho an’ny fanjakana malagasy izy no sahy nijoro ho mpiaro ny tombontsoam-panjakana ihany koa fony tale jeneralin’ny Trésor. Tsy mijanona eo amin’ireo sehatra ireo anefa ny fanampiany ny vahoaka. Efa mirotsaka amin’ny fanomezan-danja ny tanora sy ny fanatanjahantena ihany koa ny tenany ankehitriny ka anisan’ireny ny Big Sôma izay tanterahiny any Mahajanga ankehitriny. Tsy latsa-danja amin’ireny ny fitsinjovana ny fahasalaman’ny mponina sy ny hiafaran’ireto farany amin’ny androm-pahanterany. Farany dia ilaina ny fampiasam-bola eto amintsika. Izany indrindra no naharesy lahatra ahy  amin’ny tokony hanorenana tontolo manome lanja sy mampahomby ny fampiasam-bola eto Madagasikara ka tafiditra ao anatin’izany ny poolitika momba ny hetra, ny fananan-tany mba hiantohana ny fahamarinan-toeran’ny fampiasam-bola. Marihina moa fa andrasan’ny maro ny filatsahan-kofidian’Atoa Orlando Raobimanana ankehitriny, taorian’ny fanambarana efa nataon’ireo kandida sasany.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT