Samy miaiky ny rehetra fa tsy misy fandriampahalemana mandeha amin’izay laoniny intsony eto amintsika nefa mbola tsy mandray ny andraikiny ihany ny Fitondram-panjakana.
Nivondrona nitambatra ho iray nanomboka omaly ireo orinasa maro isan-tsokajiny, ny fiaraha-monim-pirenena, ireo fikambanana avy any ambanivohitra, ny mpiaro ny zon’ny mpiasa…izay samy naneho ny maharary azy avokoa no nanapa-kevitra ihany koa fa hanao hetsika goavana ny 15 martsa ho avy izao. Manomboka amin’ny 12 ora atoandro izy io haharitra dimy minitra manerana ny Nosy ka ho an’ny fiangonana dia ny fampanenoana lakolosy sy ny fitondrana am-bavaka ny firenena no hataony amin’izany. Hampaneno « klaxonne » kosa ny fiara fitateram-bahoaka sy ny fiaran’olon-tsotra raha hitsioka kirioka sy karazan-java-maneno ny sara-babem-bahoaka. Ny fampanenoana ny anjomara kosa no andraikitra horaisin’ny orinasa, hetsika izay fantatra fa ho fanairana ny Fitondram-panjakana mba hifohazan’izy ireo amin’ny torimasony. Tafiditra ao anatin’ity tsy fandriampahalemana ity moa ny resaka fakana an-keriny izay nomarihin’ny CFOIM fa mihamahazo vahana hatrany. Olona 48 isa raha araka ny fanazavan’izy ireo omaly no nisy naka an-keriny tany Malaimbandy tao anatin’ny telo volana ka manomboka amin’ny 1 tapitrisa Ar no sandan’ny famerenana olona iray amin’izany, miankina amin’ny fari-pianany. Ho an’ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba indray dia tsy afaka mamokatra intsony izy ireo satria tapitry ny mpangarom-paosy eny amin’ny tobim-piantsonana ny karama iray volana rehefa mifarana ny volana raha manjaka ny fandoroana olona velona sy ny fanolanana zaza amam-behivavy any amin’ny faritra andrefan’ny Nosy, indrindra fa ny any ambanivohitra. Efa manana vahaolana hahafahana miady amin’izany moa ny rehetra saingy ny fihaonana mivantana amin’ny Fitondram-panjakana no tena takian’izy ireo fatratra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.