Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Leo vahaolana petatoko ny Malagasy


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Hisy anio ny fotoana natokana hampanenoana anjomara sy kiririoka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara tsy hankasitrahana ny tsy fandriampahalemana.

 Anio amin’ny 12:00 hatramin’ny 12:05 antoandro ny fampanenoana kirikioka na anjomara, izay efa andro maro no nisian’ny fanentanana. Mirongatra ary tsy voafehy ny fandriampahalemana kanefa tsy hita izay fandraisana andraikitry ny mpitondra.  Tsy fantatra intsony na efa mitsangana ilay “task force” hoenti-mitady vahaolana haingana na tsia. Tsy nisy ny tatitra fa resaka no betsaka mivoaka eny am-bavan’ny mpitondra. Nikoropaka anefa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina vao nandre ny hisian’ity hetsika ity sy ny mikasika ny zava-misy sy olana sedrain’ny mpandraharaha ara-toekarena, toy ny any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, indrindra ny resaka tsy fandriampahalemana. Misy ny zavatra afenimpenina eo anatrehan’ny fandalovan’ny filoha Indianina eto Madagasikara Ram Nath Kovind hifarana anio. Tsy misy ny finiavana amin’ny vahaolana maty paika fa seho ivelany hatrany no betsaka. Any amin’ny fanidiana orinasa sy fanakanana famoriam-bahoaka no hanerena ny mpitandro ny filaminana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT