Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Lasa matahotra mpitandro filaminana ny vahoaka


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Tsy vitsy amin’ny vahoaka Malagasy no lasa matahotra mpitandro filaminana. Matetika izy ireo izay natao “hitandro ny vahoaka indray no mamono ny aina”,

 

 

araka ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto  Madagasikara, ny 13 mey farany teo. Nohamafisin’ny Mgr Ludovic Rabenatoandro izany mahakasika ny fahitany ny tsy fandriampahalemana. “Aleonay mifanena amin’ny dahalo toy izay mifanena amin’ny mpitandro filaminana, hoy ny olom-pirenena”. Raha ny voalazan’ny Vikera Jeneralin’ny Diosezy Antananarivo.  Nampita ny seraseran’ny  zandarimariam-pirenena, omaly eo amin’ny Toby Ratsimandrava  fa zandary iray G1C  na Tsipika telo  izay miasa ao Beravina, no notorian'ny ray aman-drenin'ny zazavavy iray 15 taona izay nalain'ilay zandary an-keriny tao an-tranon'ny ray aman-dreniny hiaraka aminy noho ny hamamoany ny tapaky ny volana febroary teo.” Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay hamarano. Zandary iray hafa koa no tafiditra am-ponja vonjimaika tao Maintirano ny 26 febroary teo noho ny fitoriana azy ireo vokatry ny herisetra tany amin'ny kaominina Bemarivo Ambatomainty sy Beravina Morafenobe.  Ny  CP na chef de poste avancé Bemarivo moa (gp1c na adjudant) dia notorian'ny vehivavy iray voatazona tao amin'io PA io noho ny raharaha nahakasika azy. Miezaka manadio fatratra ny ao anatiny ny zandary . Maro moa ny olona no niresaka ny hoe ho hitantsika eo fa havotsotry ny zandary io fa tsy ho tonga any amin'ny fitsarana rehefa nahita fa natao garde à vue izy roalahy ny 22 febroary 2019 teo, tao Maintirano. Natolotra ny fampanoavana anefa izy ireo taorian'ny fanadihadiana ka miandry ny fitsarana azy ireo any am-ponja. Mitohy ary tsy miato ny fanadiovana eo anivon'ny ZP art manara-maso akaiky izany ny mpifehy sy mpitantana.” Araka ny fampitam-baovao ofisialy avy eny amin’ny Toby. Miampy ireo 336 voarohihirohy tamin’ny kolikoly sy ny fanafihana ary  ireo 24 efa naiditra am-ponja vonjimaika volaza tamin’ny tapa-bolana, miezaka manadio ny zandary fa very fanahy koa ny olom-pirenena. Ny hitsikitsika natao andriamanitra ivavahana indray mantsy nipaoka ireo zanak’akoho kely.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT