Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Izay vao taitra ingahy Prefe


  • Sabotsy 19 Aogositra 2017

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Hamoizana aina hatrany matetika, antony nanosika ny prefektioran’ny polisy eto Analamanga handray ny andraikiny ihany koa, miaraka amin’ny tafika sy ny zandary.

 Tafatsangana ny herinandro teo ary efa miasa tanteraka ankehitriny, ilay Centre opérationnel izay handray an-tanana ireo karazana antso sy fitarainana avy amin’ny vahoaka. Arahin’ny mpitandro ny filaminana mandeha an-tongotra any anaty olona izany. Misy koa any anaty fiara  fitateram-bahoaka, raha tsy latsa-danja amin’izany ireo mitaingina môtô. Ireo distrika efatra mandrafitra ny Faritra Analamanga aloha, amin’izao fiandohany izao, no hahazo tombontsoa mivantana amin’izany. Ho an’Antananarivo Renivohitra dia azo atao ny miantso ny laharam-pinday 034 05 531 20, Atsimondrano 034 05 517 15, Avaradrano 034 05 703 75 raha ny laharana 034 14 014 75 no hahazoana ireo mpitandro ny filaminana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Mandrapihenan’ny asan-jiolahy etsy sy eroa no hiasan’ireo laharam-pinday ireo sy hanaovan’ny mpitandro ny hetsika goavam-be tahaka izao. Tsy vao izao na tamin’ny herinandro lasa no velon-taraina amin’ny tsy fandriampahalemana ny mponin’Antananarivo fa efa amam-bolana maro, saingy izao moa vao taitra sy nifoha amin’ny torimasony izany ireo tompon’andraikitra isan-karazany ka anisan’izany ny eo anivon’ny prefektiora izay toa variana fotsiny amin’ny fandavana ny hetsika kasain’ny fikambanana na antoko politika atao fa tsy mba nifantoka tamin’ity resaka filaminana ity hatramin’izay.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT