Ny alin’ny 20 febroary 2019 dia nidina ifotony nijery ny fandrindrana ny lamina napetraka amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Tafika Malagasy,
ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena ho famerenana ny fandriampahalemana eto Antananarivo ny praiminisitra, Ntsay Christian. Faritra maromaro no notsidihina tamin’izany dia i Cenam (67ha), Andavamamba, Ambilanibe, Anosibe, Ambohipo ary Ambolokandrina. Tsikaritra nandritra ny hetsika fa mbola misy ireo tsy fanarahan-dalàna maro, tahaka ny tsy fanajan’ireo toeram-pivarotana zava-pisotro mahamamo ny ora tokony hikatonany. Teo ihany koa ireo olona mifamezivezy amin’ny alina izay nampiahiahy. Amin’ny faritra sasany, toy ny teny Anosibe kosa dia misy ny fandraisan’andraikitry ny vahoaka amin’ny fametrahana vaomieran’ny fandriampahalemana, hanatevenana ny fitandroana ny filaminana. Mba tsy ho peta-toko fotsiny ny fanapahan-kevitra raisina eto Madagasikara dia tokony hisy tohiny ny fampiharana azy. Maro ny fanapahan-kevitra nisy teto amintsika toy ny famerenana ny plaky mena ho an`ny fiaram-panjakana kanefa maro ny olom-pirenena no mitaraina amin`ny ataon`ireo fiara sasany. Hatreto dia lalàna efa nisy avokoa no nanaovana fampatsiahivana. Tena tsy maharaka ny zava-misy eto amin’ny firenena ny mpitondra ary ny fanapahan-kevitra noraisiny aza tsy tadidiny sady tsy vitany ny mampihatra azy. Maro ny fanapahan-kevitra sy fampanantenana natao saingy tsy misy tohiny ny fampiharana azy. Nanambara ny praiminisitra fa hitohy manerana ny nosy ny hetsika, ary efa nisy vokany ny ezaka nataon’ireo mpitandro ny filaminana. Ilaina anefa ny ezaka avy amin’ny tsirairay mba hialana amin’ireo goragora sy tsy fanarahan-dalàna ka hiverenan’ny filaminana tanteraka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.