Fandriampahalemana

Tsiroanomandidy Naiditra am-ponja ireo 5 lahy tratra namaky trano


  • Talata 21 Aprily 2020

Mpamaky trano miisa 05 no voasambotry ny polisy miasa ao Tsiroanomandidy ny Alarobia 08 aprily teo.

 

 

 

 

Tokantranona fianakaviana iray tany an-toerana no lasibatra tamin’izany tamin’io andro io tokony ho tamin'ny 01 ora maraina. Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny lela-vola mitentina 300.000 Ar. Vokatry ny herisetra nataon'ireo jiolahy dia naratra ny lohan'ireo zanaky ny tompin-trano roa lahy. Tra-tehaky ny polisy ny andron'ny fanafihana ny roalahy tamin'ireo jiolahy ireo raha tafaporitsaka ny sasany. Nanohy ny fikarohana ny polisy ka voasambotra ny Alakamisy 09 aprily kosa ireo jiolahy miisa 3 hafa naman'ireo jiolahy nanao ny fanafihana ireo. Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Polisy dia natolotra ny fitsarana ny zoma 10 aprily ireo jiolahy ireo ary nahiditra an-tranomaizina avokoa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT