Fandriampahalemana

Tsindron’antsy tany Morondava Tovolahy iray, 18 taona no efa tratra


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Tovolahy iray vao 18 taona monja no fantatra fa anisan’ny tompon’antoka tamin’ilay resaka fanafihana sy halatra niaro volo olona tany amin’ny Faritra Menabe.

Raha tsiahivina kely dia alin'ny 01 hifoha 02 septambra dia nisy trangana fanafihana maromaro niseho tao an-tampon-tanànan'i Morondava izay namoizana ain'olona iray sy nandratrana olona miisa telo. Ny roa amin'ireto farany moa izay mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly Namahora.Very nandritra izany ny entana maromaro izay voaroba tamin'ireo tokantrano voatafika. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo Polisy miasa any an-toerana. Natao ny fikarohana ka nandritra izany no nahafahana nisambotra ny lehilahy iray izao vao 18 taona monja, tra-tehaka tao Tsimahavaokely/Morondava.Araka ny fantatra dia isan'ny nandray anjara feno tamin'ireo tranagana asa ratsy niseho tany an-toerana ireoity lehilahy ity. Mitohy hatrany ny fikarohana hataon'ny Polisy mikasika ireo namany hafa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT