Notafihina andian-jiolahy mitam-piadiana ny tanàna Andranomaria Kaominina Tsiafajavona Distrika Ambatolampy Faritra Vakinakaratra, ny 21 oktobra 2020 vao mangiran-dratsy.
Mpiandry fonja sandoka no nitarika ireo jiolahy miisa 4 ary nilaza fa nirahan'ny Sefo Fokontany. Niditra an-keriny tao amin'ny tokatrano iray izy ireo ka nandroba vola mitentina 11 tapitrisa Ariary. Nentin'izy ireo ihany koa ny olona miisa efatra mba ahazoana vola ankoatr'ireo efa voarobany. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Zandary vao nahazo fampandrenesana. Tra-tehaka niaraka tamin'ireo vola rehetra voaroba 11 tapitrisa ariary sy basy poleta vita tanana ny lehiben'ireo mpanafika, izay nanao fanamiana mpiandry fonja. Voasambotra ihany koa ny iray tamin’ireo jiolahy namany raha mbola karohina ireo sasany tafatsoaka. Avotra soamantsara ireo takalonaina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.