Fandriampahalemana

Tsenan’i Mahamasina Tratra ireo andiam-behivavy mpangalatra


  • Zoma 22 Janoary 2021

Andiam-behivavy mpangalatra no tratra tetsy amin’ny tsenan’i Mahamasina omaly

 

 

 

 

Alakamisy izay fantatra fa mpangarom-paosy no sady manendaka. Miisa 5 izy ireo, izay fantatra fa efa tena mpiady tokoa. Mody mitsofoka any anelanelan’ny mpiantsena mantsy izy ireo ary mody mitangorona mijery entana ihany koa. Mitakisina amin’ireo mpiantsena sasany ny sasany mandritra izany no sady manataka ilay poketra amin’ny “lame”. Tsy fantatr’izy ireo anefa ny fisian’ny polisy mandeha sy manara-maso any anatin’ireny tsena ireny ka tratra ambodiomby izy 5 mirahavavy. Ny “deuxième compagnie urbaine d’intervention” eo anivon’ny polisim-pirenena no angady nananana izany. Tsiahivina moa fa mbola tratra teny amin’ireto andiam-behivavy ireto, ireo entana nangalariny.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT