Dimy izay anisan’ireo heverina ho mpaka takalon’aina saika hanohitra sy handositra tamin’ireo mpivory enipolo mahery no lavo voatifitry ny zandary nandritra ny fifanjevoana.
Tao Ambinanitelo, kaominina Keliloha, distrika Tsaratanana no nikonokonona fakana ankeriny ireo jiolahy izay notarihin’ny “Del kely”, ny marainan’ny zoma 15 martsa teo. Nahazo fampitam-baovao avy tamin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana teo amin’ny borigadin’Andriamena ka nihazo ny toeram-pivorian’ireo malaso avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana sy ny sakoroka tamin’io marainan’ny tapaky ny volana marsa io. 5 tamin’ireo jiolahy 60 mahery teo am-piomanana amin’ny asa ratsin’ny kidnapping no voatifitra nandritra izany. Ilay ati-doha nikotrika sy mpitarika rain-dahiny azy ireo, «Del kely» izay nifampitadiavana efa ela anefa mbola tafaporitsaka indray. Ny loharanom-baovao azo avy an-toerana no nampita fa saika ireo manana toetra mangidy hoditra, malailay fonosana amin’ny fiaraha-monina no lasibatr’ireo mpaka takalon’aina. Misy ireo tsy dia manan-katao fa tsy afa-bela tamin’ireo tsy matahotody, alainy takalon’aina, dorany fotsiny izao ny trano, tahaka ilay tao Bekapaika, iray volana lasa izay. Etsy andaniny anefa ireo manan-katao ka milamina ny fihavanana sy fiaraha-monina tsy misy manafika. Malaza amin’iny toerana iny, raha vao miady aman’olona, ny tahotra hiakaran’ny dahalo sy ny mpaka takalon’aina.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.