Fandriampahalemana

Tsaratanana Mbola tsy hita ilay kandida natao takalon’aina


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

“Mbola tsy tafaverina ilay mpirotsaka ho fiadiana ho solombavambahoaka izay saika hiaraka amin’ny Fitondrana izay mijoro”.

 

 

 

Io no tenin’ny olomboafidy iray tany Tsaratanana, raha niresaka tamin’ny mpanao gazetinay. Tsahivina moa fa tamin’ny 8 ora ny alin’ny alahady heriny, avy eo amin’ny Kaominina Bekapaika ihazo an’Androfia, fokontany Befanoro hiomana hanatitra ny ampitson’io teny Tsaratanana, ny taratasy filatsahan-ko fidiana no nisy naka an-keriny ny kandida Bonjean Haingotiana Rakotozafy. Anisan’ny ho tao anatin’ny lisitry ny antoko mpanohana n Fitondrana raha ny fampitam-baovaon’ny Filohan’ny TGV, na Tanora malaGasy Vonona, Hery Rasoamaromaka. Efa andro vitsy anefa no nifandray farany tamin’ny fianakaviana ny lasibatra, raha ny loharanom-baovao. Misy ny mpanara-baovao mihevitra fa fitadiavam-bola tsotran’ireo olon- dratsy tahaka ireo raharahan’ny kidnapping rehetra io. Misy ny milaza fa misy ambadika politika io.Misy mieritreritra fa ady toerana, satria vao hiaraka amin’ny antoko mpanohana ny fitondrana fa olom-boatendrin’ny Fitondrana teo aloha tamin’iny faritra Betsiboka izy io ka tsy fantatr’ireo mpiara-

manohana ny Fitondrana ankehitriny loatra, noho izay vao fivadihana loko izay. Ireo olon-tsotra milaza fa mety azon’ireo jiolahy an-tsaina fa manam-bola izy matoa sahy hirotsaka ho fidiana. Ny fampitam-baovaon’ny zandary anefa nanambara fa tafiditra tamin’ny faritra mena izy ka izao tafalatasaka anaty haraton’ny tsy mataho-tody izao. Maro no maminavina fa misy ireo fianakavian’nylasibatra no matahotra ny ain’ny havany tahaka ilay tao Maevatanana, herinandro maro lasa izay, sy ny tranga tany Toamasina taona vitsy ka tsy mizara ny vaovao. Efa maro tamin’ireo mpanao kidnapping koa no tratra teo am-pandraisam-bola tahaka ilay tetsy 67ha sy ilay tao akaikin’ny ala arovan’Ankarafantsika ka mailo izy ireny.

 

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT