Tsy ampy taona ny roa tamin’ireo efadahy izay tratran’ny Zandarimarian’ny Borigadin’Antananarivo Renivohitra teo am-pivarotana fitaovam-piadiana mahery vaika, ny talata 12 febroary farany teo.
Araka ny fampitam-baovaon’ny Zandarimariam-pirenena, teo amin’ny Toby Andrefan’Ambohijanahary. Karazana basy hiaka farany ka na ny mpitandro ny filaminana aza nilaza fa tsy mbola nisy nampiasa izany, marika PA “Kimar”, modely 85 kalibra 8mm, izay tena tsy mbola fahita eto Madagasikara. Naharay vaovao avy amin’ny olon-tsotra tsara sitrapo ny mpitandro ny filaminana fa misy mpivarotra basy an-tsokosoko mitety ny Renivohitra, tamin’izay indrindra no nanatanteraka ny vela-pandrika ny zandary ka nahatrarana ireo olon-dratsy efatra ireo. Marihina moa fa noho ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana hikatsahana ireo namany, tsy izao ny fotoana hamoahan’ny zandary nisamborana azy ireo ny toerana nisamborana ireto efa tratra. Nandritra ny famotorana no niaiken’izy ireo fa mitady mpividy ny fitaovam-piadiana tokoa izy ireo. Tsiahivina hatrany moa fa fitanana basy tsy nahazoana alalana, tsy nisy taratasy mahakasika io fitaovana saropady io. Mbola karohina hatrany ny atidoha mikotrika sy niavian’izao basy raitra tsy fahita eto amin’ny Nosy izao. Afak’omaly sabotsy 16 febroary no niakatra fampanoavana ireo heverina fa olon-dratsy tratra tamin’ny trafika basy ireo, ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, mandra-pahatonga ny ho fitsarana azy ireo.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.