Fandriampahalemana

TRAFIKANA FITAOVAM-PIADIANA Basy miisa 3 sarona tao Ambanja


  • Zoma 03 Mey 2019

Basy 3 no tratran’ny “Barrage routier” an’ny Polisin’ny kaomisaria Ambanja tamin’ny lalam-pirenena faha-6 ny marainan’ny zoma heriny.

 

 Ahitam-bokatra hatrany ny fanatanterahan’ny polisy ny fisavana amin’ireny faritra fivoahana sy fidirana ny tanàna ireny. Fanaraha-maso mahazatra ny fiara no nataon’ny polisin’Ambanja ka nahatrarana ireto basy telo ireto : Basy lava «fusil à pompe» vita Sovietika 1 ary basy poleta vita gasy 2. Roalahy no nitondra azy ireo raha hihazo an’i Sambava izy ireo niala tao Ambanja. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa hoentina hamidy any Sambava ireo basy. Avy any Toliara ny iray, ny 1 avy any Marovoay ary iray hafa avy tao Ambanja ihany. Manentana hatrany ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampitam-baovao avy amin’ny vahoaka mahakasika ireny fihazonana sy fivezivezena basy tsy ara-dalàna ireny any anatin’ny fiarahamonina rehetra any. Nahazo vahana hatrany ny fiparitahan’ny basy, indrindra ireo tsy fampiasan’ny sivily sy vita gasy tato ho ato. Tsy mety tratra ireo rangory fototry ny afo, na ireo mpanefy azy na ireo mpampiditra ny entana avy any ivelany. Miandrandra ny vaovaon’ny fitsarana mba havoaka tambajotran-tserasera koa ny olom-pirenena.

Haja Nirina

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT