Vosambotra teny Andranonahoatra Itaosy ny alin’ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 8 ora ny miaramila miisa 2 mpanao trafina basy.
Ny iray avy ao amin’ny CAPSAT ary ny iray avy amin’ny RAL Arivonimamo. Ny polisin’ny USI (Unité Spéciale d’Intervention) na ny Saka mainty no nahasambotra azy ireo. Raha ny fanampim-baovao, niaraka tamina ramatoa iray mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy izy ireo. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny borigadin’ny polisy misahana ny heloka bevava na ny BC Anosy. Raha ny fanadihadiana savaranonando dia fantatra fa efa fanaon’izy ireo ny trafikana basy. Efa tena tambajotra goavana mihitsy izy ity raha dinihina amin’ireo olona sarona, izay tsy iza fa olona tandroka aron’ny vozona, saingy mitsivalam-pandry. Torak’izany ihany koa, mpiasa ao anaty minisiteram-panjakana, no miray tsikombakomba amin’ny resaka mamoafady tahaka izao. Tsy vao tamin’ity no nahenoana trangan-javatra tahaka izao hoe olona tokony ho fitaratra no zary mpanome leson-dratsy. Tsy tongatonga ho azy anefa ny toe-javatra tahaka izao, fa matoa ireo olona ireo sahy nanao ny afera dia manana ny mpiara-miombon’antoka sy mpiaro azy ao ambonimbony ao. Tsy vaovao amin’ny sofina intsony ny fahenoana olona ambony mpamatsy na mpiaro ny jiolahy sy ny dahalo, saingy na mivoaka aza ny anaran’izy ireny, dia tsy voakitika mihitsy, indrindra fa olona akaiky ny fitondrana. Efa nahenoana anarana tompon’andraikitra akaiky ny mpitondra, ohatra, ny raharaha fahatrarana vanja fanamboarana bala 211 kg tany Betroka. Nisy sahy nikitika ve ilay voatonona anarana ho mpamatsy ny dahalo ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.