Fomba hafa kely sy tsy mbola fanao hatrizay no nampiasain’ireo mpanao aferan-drongony sy mpanondrana sokatra tsy ara-dalàna.
Fiara taksibrosy “sprinter” mitondra ny laharana 1951 TBG avy any Toliara hiakatra aty Antananarivo no nahatrarana sokatra tao Fianarantsoa. Ny alahady 4 febroary tokony ho tamin’ny 10 ora alina no nandalo io fiara nitondra vatampaty io, izay tsy nety nijanona teo amin’ny sakana na “barrage” napetraky ny polisy. Nampiahiahy izany, ka avy hatrany ireto farany dia nanara-dia tamin’ny moto avy aoriana ary nampilaza ny teo anivon’ny kaomisaria foibe ny mahakasika ny zava-nitranga. Nampilaza avy hatrany ny komandin’ny hery Vonjy taitra ihany koa ny avy eo anivon’ny kaomisaria foibe mba hisakana ilay fiara raha tonga eo amin’ny “Barrage” faharoa eo Alakamisin’Ambohimaha. Teo dia tsy afa-nitsoaka intsony ny fiara, ary niroso avy hatrany tamin’ny fisavana ny mpitandro ny filaminana. Mpandeha miisa 4 sy rongony 10 gony, manome 100 kilao mahery no sarona voalohany. Tsy nahitana taratasy ary tsy nisy “scellage” ihany koa ilay vatampaty, ka vao mainka nampitombo ny ahiahy. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria foibe ilay fiara sy ireo mpandeha ary ireo rongony. Nirosoana ny fanokafana ilay vata, ka nahitana valizy 3 lehibe izay nanafenana sokatra miisa 245. Notanana avy hatrany ny mpamilin’ny fiara, ary taorian’ny famotorona izay natao taminy dia nilaza ity farany fa any Sakaraha no misy ilay tompon’ireo entana, ka dia mbola mitohy ny fikarohana. Efa natolotra ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny rano sy ny ala avokoa ireo sokatra miisa 245 izay efa maty moa ny dimy tamin’izy ireto. Ireo olona sarona niaraka tamin’ireo rongony zato kilao sy sokatra miisa 245 kosa dia hatolotra ny fampanoavana anio talata 6 febroary 2018. Manodidina ny 2000 dolara na 6 tapitrisa ariary eo ho eo ny vidin’ny sokatra kely iray any Azia, ka anisan’ny tena hanondranana azy ireny ny any Sina, Malezia,… Mety ho tafakatra hatrany amin’ny 10 000 dolara, ka izay no antony hitadiavan’ireo mpanao afera maloto làlana ambanin’ny tany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.