Mafampana ny toe-draharaha any Andapa any ankehitriny. Raha ny fampitam-baovao dia mihorohoro ny ao an-tanàna noho ny resaka tifitra nandratra olona maro nataona zandary.
Omaly tamin’ny efatra ora hariva no nanomboka nipoapoaka ny basy teo amin’ny tobin’ny zandary Andapa rehefa tsy nety nailika ny andiana vahoaka maro nandeha nitaky ny hamoahana ilay tovolahy voasambotra tamin’ny sivy ora maraina tany Andasibe Maheverika Andapa, voarohirohy ho namono nahafaty ankizivavy roa tsy manan-tsiny vao 5 taona. Ny alatsinainy 22 oktobra 2018 tamin’ny efatra ora hariva dia very ireto zazavavy ireto ka natao ny fitadiavana rehetra. Hita tamin’ny sivy ora alina io andro io ihany ary hita faty tao anaty tatatra ireto ankizy ireto. Ny talata dia natao ny fizahana ny razana ka fantatra fa nisy namono. Nahatsikaritra fihetsika hafahafa ireo tao an-tanàna, ka ity tovolahy ity no voarohirohy ary niafara tamin’ny fisamborana azy. Tamin’ny efatra ora hariva, tonga ireo andiana vahoaka avy tany Andasibe Mahaverika Andapa hitaky ny voarohirohy ho eo am-pelatanany mba hanaovana fitsaram-bahoaka, izay tsy eken’ny lalàna misy eto amintsika ka nahatonga ny fifandonana. Vokany, fito no maratra mafy ary ao anatin’ny voatifitra ny renin’ilay ankizivavy iray maty. Nisy iray voatifitra miady mafy amin’ny fahafatesana nibora-tsinay. Dimy no nalefa ao amin’ny hopitaly be Andapa amin’izao ary roa nalefa any amin’ny hopitaly Sahamazava. Efa lasa any Andapa omaly hariva ny ekipan’ny mpitandro ny filaminana avy any Sambava tarihin’ny kaomandan’ny kaompania Sambava miahy manokana ihany koa ny zandary any Andapa. Andrasana ny tohiny.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.