Efa jiolahy raindahiny niditra am-ponja in’efatra ny iray tamin’ireo saron’ny polisy omaly sy afak’omaly.
Lehilahy roa, 21 sy 20 taona no voasambotry ny polisy miasa eny Antaniavo ny alarobia 1 mey lasa teo teny Antohomadinika noho ny resaka halatra solosaina. Ny 1 mey 2019 maraina teny Antaniavo dia tsikaritry ny tompon-trano ny fidiran’ilay tovolahy iray tao amin’ny tranony. Nihevitra izy fa mpiasa ao aminy ihany no mivezivezy ka tsy nahataitra azy. Rehefa nivoaka anefa ilay tovolahy vao tsikaritra fa nitondra “ordinateur portable marque Dell ”. Nasaina nijanona fa vao mainka nirifatra nitsoaka ihany ary nisitrika tao an-tranon’olona tsy fantany ary noraisim-potsiny tao. Izy io indray avy eo no nanoro ny namany iray izay voasambotra teny Ankasina omaly 2 mey 2019 maraina. Efa in’efatra nigadra ny iray tamin’izy ireo : tany Antsohihy, Mahajanga, Mandritsara, Toamasina. Nivoaka ny fonjan’i Mandritsara ny volana febroary 2019 lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena hatrany. Ilay solosaina nangalarina kosa dia efa tafaverina any amin’ny tompony. Natolotra ny fampanoavana ny 2 mey izy ireo. Tsiahivina fa nahazo vahana tamin’iny faritra Antohomadinika iny ny hala-botry sy ny vaky trano tato ho ato.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.