Maty nisy nitifitra omaly hariva teny Tsaralalàna ny « Consul honoraire »-n’i Malaysie Zahid Razah.
Nidina avy any Antsahavola hihazo an’i Tsaralalana ny fiara nitondra azy omaly tokony ho tamin’ny 6 ora, ary nisy olona nitondra moto nisongona, ka nitifitra ary lasa nandositra avy eo, raha ny fanazavana vonjimaika avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Poa-basy in-telo no re teny an-toerana nandritra io fotoana io. Ity teratany vahiny ity no tompon’ny tranombarotra lehibe Z&Z Center. Tsy fantatra ny antony namonoana azy, fa ny fanadihadiana no hamaritra ny tohiny. Mampametra-panontaniana kosa na mety ho fifamaliana faty amin’ny samy mpandraharaha ve sa antony hafa mihitsy ? Raha ny fahita sy fandre hatramin’izay mantsy dia fandrobana miampy famonoana na fakana an-keriny, fa ity indray mitoraka ity, dia tena famonoana ho faty tsotr’izao. Tsy milamina intsony ny eto an-drenivohitra fa dia herisetra sy vono olona no re isan’andro; na vahiny na teratany dia samy lasibatra avokoa, ary ny tena loza mampiahiahy ny maro dia mety efa misy mpikarama an’ady matihanina amin’ny famonon’olona mihitsy eto. Ary ny vao miha mahagaga dia arakaraka ny fanambarana nataon’ny fitondram-panjakana fa ho hentitra ny fisafoana sy fanaraha-maso ary miasa mafy ny mpitandro ny filaminana no vao miha mitombo ny asan-jiolahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.