Fandriampahalemana

Toliara Rongony 2 380 kilao indray no nodorana


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Nodorana, ny sabotsy teo, tany Mahaboboka - Toliara ireo rongony milanja 2 380 kilao, tra-tehaky ny zandary tany an-toerana nandritra ny hetsika nataon`izy ireo. Raha tsiahivina, ny alin'ny 06 novambra lasa teo,

 

 

 kamio iray no saron` ny mpitandro filaminana nitondra ireo zava-mahadomelina aman-taonina . Telo lahy no voasambotra amin`ity raharaha ity. Natolotra teo anatrehan'ny Fitsarana ny raharaha, ny zoma lasa teo, ka notanana am-ponja avokoa ireo olona telo ireo ary niroso amin'ny fandorana ireo zava-mahadomelina ny sabotsy teo anatrehan'ny manampahefana sy ny mponina tany an-toerana. Manantitra ny fampitandremana ireo izay mbola minia mamboly sy mivarotra na mitondra ary manjifa zava-mahadomelina toa itony, izay mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny zandariamariam-pirenena. Manamafy hatrany ny zandray fa ho mafy ny fampiharana ny sazy ho an’izay tratra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT