Fandriampahalemana

Toliara Maty nisy nitifitra ny mpanakanto REDIANY


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Manjaka ny vono olona amin’ny alalan’ny an-kitifitifitra ao Toliara ao. Ankoatra ilay tovolahy iray vao 16 taona maty

nisy nitifitra noho ny fifandonana nateraky ny ady tany tany an-toerana dia maty nisy nitifitra tao Antety Andaka Ankomaky Kaominina Ambanivohitr’i Soahazo, Disitrikan’i Toliara II, ihany koa afak’omaly 11 Jolay ny mpanakanto REDIANY. Raha tsiahivina kely ny tantara dia anisan’ny nitondra avo ny gadona tsapiky tany amin’ny faritra Atsimo andrefana ny tenany. Tohana mafy ny mpanankato rehetra any amin’iny faritra iny noho izany, antony nanaovan’izy ireo fanambara mihezinezina omaly. Nambaran’izy ireo fa manameloka izany habibiana natao tamin’ny namany izany izy ireo noho ny antony izay mbola tsy fantatra. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia teny an-dalana ity farany no nisy nitifitra ka tsy tonga tany amin’ny hopitaly akory dia tapitra ny ainy. Nalevina omaly ny nofo mangatsiakany.
Pati
Legende : Efa an-taonany maro ny nilalaovana ny gadona Tsapiky Rediany no izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT