Malaso iray, olona iray, omby 30 tsy hita ny nanjavonany.Io no vokatry ny fanafihana malaso ny tanàna iray tany Tolagnaro ny alin'ny talata teo, Raha sendra nisakafo iny no tonga tampoka ireo malaso miisa 30 lahy.
Tsy nisy alaharo fa ny valan'omby no nanaovan'ireto dahalo ireto nampitaha. Niezaka nanohitra ny zava-misy ny fokonolona saingy be no ho vitsy ary tsy mitovy ny hery eo am-pelatanana. Ny an'ireto olon-dratsy lefona sy basy fitaovam-piadiana mahery vaika. Tanam-polo kosa ny an'reo fokonolona. Ireo mpitandro ny filaminana somary miahotrahotra ihany satria vitsy, dia manao ny danin'ny kibony ireo malaso. Araka ny efa nambara teto sakana ho an'ny fampandrosoana ny tsy fisian'ny fandriampahalemana. Manao antso avo amin'ny tompon’andraikitra ireo mponina ao amin'ny tapany avaratry ny distrikan'Amboasary Atsimo. Marihina fa na teo aza ny fampanantenana nataon'ny fitondrana dia zary nofinofy fotsiny izany
Onesime Michel
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.