Fandriampahalemana

Tokony hanao “Jury BEPC” Nisy namono ilay madama


  • Talata 04 Septambra 2018

Ny tranony may vokatry ny “court-circuit”, izy maty novonoina. Rasoarilinina Marthe, mpampianatra ao amin’ny CEG Centre Morondava no niharan’ity loza mahatsiravina ity ny alin’ny alahady 2 septambra 2018.

 

 

 Miaina delestazy ny ao an-drenivohitry ny faritra Menabe, noho ny fikorontanan’ny famatsiana solika ho an’ny Jirama. Tapaka ny jiro ny harivan’io alahady io tao Tanambao misy ny trano fonenan’ilay ramatoa mpampianatra. Niverina tampoka anefa ny herinaratra ka niteraka ankoson’aratra (court-circuit) ary niteraka ny fahamaizan’ny tranony, izay vita amin’ny hazo rahateo. Levon’ny afo ny ilan’ny trano vao voafehy ny tsy fiitarany. May ny ampahan’ny entana, ny sasany nisy nangalatra toy ny subwoofer sy baffle. Nijanona natory tao amin’ny efitra tsy main’ny afo ilay mpampianatra ny alin’io alahady io. Nisy nanafika indray anefa fotoana fohy taorian’ny hain-trano, ary namoy ny ainy. Diam-pamaky telo teo amin’ny lohany no nitarika ny fahafatesany. Anisan’ireo mpiambina amin’ny fanadinana BEPC izay nanomboka omaly izy, no izao nindaosin’ny fahafatesana noho ny hetraketraky ny sasany izao. 56 taona, teraka tamin’ny 17 desambra 1962 tao Amboasary Moramanga, ity mpampianatra ity no izao maty nisy namono izao. Misokatra ny fanadihadiana, hikarohana ireo nahavanon-doza ka hamantarana ny anton’izao vono olona izao. Ankoatra azy dia nisy olona roa ihany koa naratra mafy voakapa famaky koa tao Ankisirasira ary daholo iray tamin'ireo efatra nanafika tao Namahora Atsimo no maty, samy trangana tsy fandriampahalemana niseho tao Morondava io alin’ny alahady io avokoa ireo.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT