Fandriampahalemana

Toamasina Tokantrano iray nahatrarana basy kilalao sy matraque


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Manoloana ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina dia tsy mandry andro aman’alina ireo polisy ao an-toerana mikaroka ireo jiolahy mpanao izany.

 

 

 

 Ny 24 oktobra teo dia nahazo loharanom-baovao mari-potitra ny polisy mikasika fisian’ny olona mitazona basy ao an-tranony. Nidina teny ifotony ireo polisy nanamarina izany rehefa nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny fitsarana. Nandritra ny fisavana nataon’ireo Polisy tao amina tokantrano iray tao Mangarivotra avaratra dia basy kilalao iray sy « Matraque » mifono lamba no hita tao. Nentina namonjy ny birao avy hatrany ny tompon’ilay trano nanaovana fanadihadiana mahakasika izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT