Aoka tsy ny fitsarana irery no hosoram-potaka na kianina momba ny raharaha fitoraham-bato tao Brickaville ka namotsorana ny olona roa (lahy sy vavy) noho ny tsy fahampian’ny vesatra hiampangana azy ireo. Ireto olona ireto no nambara fa atidoha mpaniraka ny mpitora-bato.
Ny famotsorana ireo olona ireo no nampitroatra ny mpitatitra ka nahatonga azy ireo hanapa-kevitra ny hitokona anio alarobia. Niantso mpanao gazety omaly talata Atoa Lauret Rajaona Thierry, lehiben’ny fampanoavana (Procureur) ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ka nanamafy fa nampijalian’ny zandary ireo olona nitora-bato ka noterena nanondro ny atidoha, izany hoe mety niteniteny anarana fotsiny satria natahotra fa tsy tena nilaza ny marina. Naseho ny mpanao gazety tao Toamasina omaly ny mpitora-bato 3 lahy izay efa migadra vonjimaika ao Toamasina ka nitantara ny fampijaliana nataon’ny zandary azy ireo nandritra ny fanadihadiana. Miaro tena ny fitsarana ao Toamasina ary manamafy fa tokony hisy fanadihadiana vaovao atao momba an’ity raharaha fitoraham-bato taksibrosy ao Brickaville ity. Nanao ny asanay izahay, hoy ny lehiben’ny fampanoavana ary tokony hanao tsara ny asan’izy ireo ihany koa ny zandary.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.