Toamasina no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo.
Nikasa hampiasa ny basy teny aminy mantsy ity farany no sady nandositra rehefa nifanena tamin’izy ireo. Marihina moa fa efa fanta-daza amin’ny resaka famakian- trano ao Tomasina ny lehilahy. Tratra niaraka tamin’izay ihany koa ny namany iray izay isan’ireo mpamaky trano ikoizana ihany koa. Lehilahy iray ihany koa moa no nahatrarana basy poleta iray teny aminy rehefa nosavaina ny faran’ny herinandro teo ihany. Na izany aza anefa dia tafaporitsaka ity lehilahy ity nandritra ny fotoana nitondrana azy handeha ho any amin’ny birao ary mbola hifampitadiavana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.