Toamasina

Jiolahy roa lavon’ny polisy, roa hafa azo sambo-belona


  • Talata 12 Desambra 2023

Jiolahy roalahy no lavon 'ny Polisy miasa ao amin 'ny fitaleavam - paritry

ny filaminam -bahoaka atsinanana raha roa hafa azo sambo –belona. Ny 10 desambra lasa teo no nitrangan’izany tao Toamasina noho ny resaka vaky trano mitam - piadina. Taorian'ny fahazoana angom-baovao ny amin'ny fisian'ny andian-jiolahy mpanao fanafihana sy mpamaky trano manodidina ny tananan' i Toamasina dia nanao ny vela-pandrika ny Polisy miasa amin'ny FIP tamin 'io daty voalaza io. Fantatra fa niafina tao Tanamborizano, ireto olon-dratsy ireto ka nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy ary niroso tamin'ny fisamborana. Tsy nanaiky ny fampitandremana nataon'ny mpitandro filaminana anefa ireto jiolahy ireto ary namaly tamin'ny antsy lava ka voatery nitifitra ny Polisy. Maty tamin'izany ny jiolahy miisa 2 raha azo sambo-belona kosa ny 02 hafa. Nahitana ody gasy, moara sy antsy lava ary fitaovana fampiasa amin'ny famakiana trano teny amin'izy ireo. Aorian 'ny fanadihadiana hatao moa dia hatolotra ny fampanoavana ireo tra - tehaka. Mitohy hatrany ny fikarohana hataon 'ny Polisimpirenena any an-toerana.
Pati
Legende : Ireo jiolahy maty voatifitra sy ireo azo sambo-belona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT