Fandriampahalemana

TOAMASINA Efa mandeha ihany koa ny fandrobana mpivarotra masikita


  • Alatsinainy 17 Jolay 2023

Ankoatra ny vaky trano, halatra vy…. dia efa mandeha ihany koa amin’izao ny fandrobana mpivarotra masikita ao Toamasina ao.

Lehilahy iray 30 taona no tratran'ny polisy miasa ao amin'ny CSP2 Mangarano ny alin'ny 15 jolay teo tokony ho tamin'ny 00h30 rehefa avy nandroba mpivarotra masikita iray teo akaikin'ny fiangonana "Saint Paul". Ireo polisy manao fisafoana amin'ny alina no nahatsikaritra ity lehilahy ity mailomailo tamin'ny fihetsiny ka nitàna azy avy hatrany. Tsy lavitra teo ihany koa no nahitàna ramatoa iray izay feno tahotra ka rehefa nanontaniana dia nilaza fa ao avy nisy nandroba ny vola "versement"-n’ ny tsenany iray andro. Natoro azy ity lehilahy tratra ity ka nilaza avy hatrany izy fa io no naka ny volany ary mbola hita tany amin'ity mpangalatra izany. Ilana fandraisana fepetra hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana ao Toamasina noho izany.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT