Ny fampidirana mpiasa amin’ny trano hotafihina hitsikilo mba hahazoana ny vaovao indray izao no ketrik’ireo tambazotran’olondratsy.
Ny mpivady izay nampiditra ilay mpikarakara tokatrano vavy tao amin’ny toerana hanatanterahina ny fanafihana no tompon’ny atidoha, raha ilay tranga teo Ankorondrano no tsahivina. Io mpanampy vavy iray io izay nampidirin’ireo mpivady hiasa tao amin’ny trano lehibe eo amin’ny “Village des jeux” no niara-niketrika ilay fanafihan-jiolahy mitam-piadiana. Vola mitentina dimy tapitrisa ariary sy solosaina roa ary finday ombana firavaka sarobidy no lasibatra tamin’izany. Tamin’ny alahady teo, sahabo ho tamin’ny 7 ora maraina no nitranga ny fanafihana mitam-piadiana. Jiolahy efatra niaraka tamin’ny basy poleta roa no nanataneraka ny asa ratsy. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ny niharam-boina, taorian’izay. Rehefa nataon’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana lalina, ilay mpanampy vavy no nanome ny vaovao tamin’ireo jiolahy. Ilay mpanampy vavy sy ny ramatoa nampiditra azy hiasa tao, izay nanana tanjona efa lavitr’ezaka, no niray tsikombakomba. Ny vadin’io ramatoa nampiditra io anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana, niaraka tamin’ny rahalahiny, raha ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Tamin’ny talata teo no voasambotra daholo ireo olon-dratsy efatra ireo. Araka ny vaovao ofisialy hatrany, anisan’ny tompon’antoka tamin’ilay heloka bevava nahafaty olona roa, ny 22 febroary teo tao amin’ny “Restaurant Terasse Exotic” teo Ivandry ny iray tamin’izy ireo. Sarotra ny mitady mpanampy azo itokisana amin’izao fotoana izao, manoloana ity toe-draharaha ity.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.