Anisan’ny faritra mena amin’ny fanendahana eto an-drenivohitra ny tetezan’i Bekiraro miazo an’Ambodin’Isotry.
Ankoatra ireo vehivavy mitondra poketra sy harona dia lasibatra hatramin’ireo mpianatra madinika mandeha maraina sy mody hariva, antony nanaovan’ny polisin’ny CSP4 opération teny an-toerana. Nanao fanamiana sivily izy ireo nandritra izany ka efa-dahy no indray tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny faran’ny herinandro teo. Nentina namonjy ny biraon’ny polisy CSP 4 avy hatrany moa izy efa-dahy ireto natao fanadihadiana hahafahana mamantatra ireo namany hafa. Tsiahivina moa fa olona 4 isan’andro raha kely no voaendaka eny amin’iny tetezan’i Bekiraro iny raha araka ny fitarainan’ny mponina ka misy mihitsy ireo maratra no sady very fananana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.