Ho tapaka manomboka anio 17 novambra 2020 manomboka amin'ny 05 ora maraina ka hatramin'ny 19 novambra 2020
ny tetezana vy eny Tanjombato noho ny fanamboarana iandraketan’ny Minisiteran’ny asa vaventy sy ny fanajariana ny tany. Ho azo ifanenana ilay tetezana "béton" eo amin'ny ilany eo anatrehan’ity fepetra ity. Hisy lamina hapetraky ny mpitandro ny filaminana sy ny Kaominina Tanjombato handrindrana antsakany sy andavany ny fifamoivoizana eny an-toerana. Ny tsara dia mamonjy ny By Pass ireo fiara vaventy, raha mbola azo atao ny tsy mandalo eny an-toerana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.