Fandriampahalemana

Tetezana any Manakarabe Mitentina 1,2 miliara ariary ny fanamboarana


  • Sabotsy 17 Martsa 2018

Velom-panantenana ny mponina any Manakara ary ho afa-pahasahiranana amin`izay noho ny fanamboarana ny tetezana ao Manakarabe.

 Mitentina 1,2 miliara Ariary ny vola hanamboarana azy izay mirefy 120 metatra eo. Nanambara ny depiote Abel Zafimahatratra fa sady marary no mangirifiry ny miresaka ny seranam-tsambo any Manakara sy ny tetezana ao Manakarabe izay mifampiankina ary hiankinan’ny famoaham-bokatra any amin’iny Faritra Vatovavy Fitovinany iny amin ny ankapobeny. Raha tsiahivina, ny 10 septambra 2012 no tapaka ilay tetezana, vokatry ny fitresahan’ny andrim-bato vaventy faharoa izay mitazona azy tsy hirodana hatramin’izay, taorian’ny fahasimbana nisy vokatry ny fandalovana kamiao nitondra entana mavesatra teo amboniny, ka nampihotsaka ny ampahany voalohany tamin’ity tetezana manan-tantara ity tao amin’ny reniranon’i Pangalana (raha avy ao an-tampon-tanànan’i Manakara ho eny Manakara Be). Tapaka tanteraka tsy azo ivezivezena intsony teo ny tetezana ao Manakarabe. Vokany, mijaly ny mponina tsy afaka mifamevizevy intsony, nefa eny no toerana misy ireo banky sy sampandraharaham-panjakana maro ao Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ka voatery mihodina sady lavitra any amin’ny seranan-tsambon’i Manakara teo aloha ny lalana miampita amin’ny alalan’ny “pont bâiller” amin’ny “canal de Pangalane”. Marihina fa noho ny fahatapahan’io tetezana io dia nanararaotra ny mpanangom-bokatra nampiakatra vidin’entana ka nikaikaika ireo mponina. Tena mijaly ny vahoaka ao Manakara, satria miampita lakana ka rehefa tsy misy vola dia tsy miampita.  Lakana no iampitan’ny mpiasa sy ny mpianatra  raha toa ka tsy maika. Misy ihany koa ny tetezana eo amin’ny fadintseranana saingy efa mihasimba ihany koa. Efa nisy ny tolobidy natao ho fanarenana ny tetezana nandritra ny taona maro fa izao vao nivaly. “Tsy mijanona hatreo ny asa fampandrosoana fa mitohy ary hisy ihany koa mantsy ny fanamboarana ireo tetezana efa hita fa antitra mampitohy an’i Manakara amin’ireo kaominina maro any an-toerana”, hoy hatrany ity olom-boafidy tany Manakara ity.

 


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT