Efa tafaverina eo anivon’ny ankohonany amin’izao fotoana ilay teratany Indiana Nahid Meralli Ballou, taorian’ny 17 andro andro nakan’olon-tsy fantatra an-keriny azy.
Ny alatsinainy hariva teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany no votsotra ity tovolahy mpandraharaha iray ity izay tsiahivina fa vao 28 taona monja. Nambarany fa niaina tao anaty rarin-tsaina tanteraka izy nandritra io 17 andro io, tsy natory ihany koa sady feno tebiteby tanteraka. Mankasitraka feno sy tanteraka ireo izay nanampy azy rehetra tamin’ny fikarohana ny zanany ny “Collectif des Français d’Origine Indienne de Madagascar » (CFOIM), indrindra fa ireo fianakavian’i Nahid na dia mbola miaina anaty horohoro tanteraka aza io menaky ny ainy io hatramin’izao. Toraka izany koa ny mpitandro ny filaminana izay nanao ny ainy tsy ho zavatra. Manantena ny hiverenan’ny fandriampahalemana tanteraka eto amintsika ny CFOIM, hahafahan’izy ireo miaina amim-pitoniana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.